Mark 6

1Nandao io toerana io Izy ka namonjy ny tanindrazany, ary nanaraka Azy ireo mpianany. 2Ary rehefa tonga ny andro sabata, dia nampianatra tao amin’ny synagoga Izy. Maro ny olona nandre Azy ka gaga izy ireo. Hoy izy ireo hoe: “Avy aiza no nahazoany ireo fampianarana ireo?” “Inona izao fahendrena izay nomena Azy izao?” “Inona ireo fahagagana izay nataony tamin’ny tanany ireo?” 3“Tsy ilay mpandrafitra ve io, ilay zanak’i Maria ary rahalahin’i Jakoba sy Josesy sy Jodasy ary Simona? Tsy miaraka amintsika eto ve ireo anabaviny?” Tohina tamin’i Jesosy izy ireo.

4Ary hoy Jesosy tamin’izy ireo hoe: “Tsy misy mpaminany tsy omen-kaja, afa-tsy ao amin’ny tanindrazany sy ao amin’ny havany akaiky ary ao amin’ny ankohonany manokana ihany.” 5Tsy afaka nanao asa mahagaga Izy, afa-tsy ny fametrahany tanana amin’ny marary vitsivitsy ary manasitrana azy ireo. 6Gaga nohon’ny tsy finoan’izy ireo Izy. Avy eo nandeha nanodidina ireo tanàna Izy hampianatra.

7Avy eo dia niantso ireo roa ambinifolo lahy Izy ary nanomboka naniraka azy ireo tsiroaroa, ary nomeny fahefana teo amin’ny fanahy maloto izy ireo, 8ary nandidy azy ireo tsy hitondra na inona na inona amin’ny diany, na mofo, na kitapo, na vola amin’ny fehin-kibon’izy ireo_ afa-tsy tehina ihany_ 9fa hanao kapa, ary tsy hanao akanjo roa.

10Hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Na oviana na oviana ianareo miditra amina trano iray, dia mitoera ao mandra-pialanareo any. 11Ary raha misy tanàna tsy mandray anareo na mihaino anareo, rehefa miala ao amin’izany toerana izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo mba ho fijoroana vavolombelona amin’izy ireo.”

12Dia niainga izy ireo ary nitory fa ny olona dia tokony hibebaka amin’ny fahotany. 13Nandroaka demonia maro izy ireo, ary nanosotra marary maro tamin’ny diloilo ka nanasitrana azy ireny.

14Ren’i Heroda mpanjaka izany, satria lasa fanta-daza ny anaran’i Jesosy. Ny sasany nilaza hoe: “Nitsangana tamin’ny maty Jaona mpanao batisa ary noho izany, dia miasa ao anatiny ireo hery mahagaga ireo.” 15Fa ireo sasany kosa nilaza hoe: “Elia Izy.” Ny sasany mbola niteny hoe: “Mpaminany Izy, tahaka ny iray amin’ireo mpaminany tamin’ny andro taloha.”

16Fa rehefa nandre izany Heroda dia hoy izy hoe: “Jaona, ilay notapahiko loha, no nitsangana tamin’ny maty.” 17Fa Heroda no nampisambotra an’i Jaona ka nandefa azy tany an-tranomaizina nohon’ny raharaha Herodiasy (vadin’i Filipo rahalahiny), satria novadiany ravehivavy.

18Fa Jaona niteny an’i Heroda hoe: “Tsy araka ny lalàna ny hanambadianao ny vadin’ny rahalahinao.” 19Fa tezitra taminy Herodiasy ka nitady izay hamonoana azy, saingy tsy afaka, 20nohon’ny fatahoran’i Heroda an’i Jaona; fantany fa olo-marina sy feno fahamasinana izy, ary niaro azy izy. Nanahiran-tsaina azy ny fihenoana azy, kanefa mbola nihaino azy tamim-pifaliana izy.

21Avy eo nisy irika tamin’ny fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Heroda ka nanao fanasàna ho an’ireo lehibeny, sy ireo mpifehiny, ary ireo mpitariky ny Galilia izy. 22Dia niditra ny efitrano fanasana ny zanaka vavin’i Herodiasy ary nandihy ho azy ireo, ary nahafinaritra an’i Heroda sy ireo vahiny nasaina tamin’ny fisakafoana izy. Hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy hoe: “Angataho amiko izay rehetra tianao dia omeko anao izany.”

23Ary nianiana taminy izy nanao hoe: “Na inona na inona angatahinao amiko, dia homeko anao, hatramin’ny antsasaky ny fanjakako.” 24Dia nivoaka izy ary niteny tamin’ny reniny hoe: “Inona no tokony angatahiko aminy?” Dia hoy ny reniny hoe: “Ny lohan’i Jaona mpanao Batisa.” 25Teo no ho eo dia niverina tany amin’ny mpanjaka izy, ka nangakataka, nanao hoe: “Tiako omenao ahy, izao dieny izao, eo ambony lovia ny lohan’i Jaona mpanao batisa.”

26Na dia nampalahelo mafy ny mpanjaka aza izany, dia tsy afaka nandà ny fangatahany izy nohon’ny fianianana nataony sy noho ireo vahininy nasaina tamin’ny fisakafoana. 27Noho izany dia nandidy miaramila iray avy tamin’ny mpiambina ny mpanjaka ary nandidy azy hitondra ny lohan’i Jaona ho eo aminy. Lasa ilay mpiambina ary nanapaka ny lohany tao an-tranomaizina. 28Nentiny teo ambony lovia ny lohany ary natolony an-drazazavavy, ary ilay zazavavy nanolotra izany an-dreniny. 29Rehefa nahare izany ireo mpianany, dia tonga izy ireo ary naka ny nofony ka nametraka izany tao am-pasana.

30Niverina tany amin’i Jesosy ireo apostoly ary nitantara taminy izay rehetra vitan’izy ireo sy nampianarin’izy ireo. 31Ary hoy Izy tamin’izy ireo: “Ndeha isika ho any an’efitra ka hiala sasatra kely.” Fa maro ny olona no nivezivezy, ary tsy nanam-potoana hinanana sakafo akory aza izy ireo. 32Dia nandeha an-tsambokely izy ireo mba ho any amin’ny tany foana.

33Fa izy ireo nahita azy ireo nandeha ary maro no nahafantatra azy ireo, dia niara-nihazakazaka an-tongotra avy tany amin’ny tanàna rehetra izy ireo, ary tonga teo talohan’izy ireo. 34Rehefa tonga teny amin’ny morony izy ireo, dia nahatazana vahoaka maro Izy ary onena azy ireo Izy satria tahaka ny ondry tsy manana mpiandry izy ireo. Ka nanomboka nampianatra zavatra maro azy ireo Izy.

35Ary rehefa hariva ny andro, dia nanatona Azy ireo mpianany ka nanao hoe: “Toerana foana ity ary ny andro efa madiva ho hariva sahady. 36Alefao izy ireo mba handehanany any amin’ireo vohitra sy tanàna manodidina hividy hanina ho an’ny tenan’izy ireo.”

37Fa namaly Izy ka nanao tamin’izy ireo hoe: “Omenareo zavatra hoanina izy ireo.” Dia hoy izy ireo taminy hoe: “Afaka mandeha ary mividy mofo azon’ny denaria roanjato va izahay ka hanome izany azy ireo hoanina?” 38Dia hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Firy no mofo anananareo? Mandehana ary jereo.” Rehefa hitany, dia hoy izy ireo hoe: “Mofo dimy sy hazandrano roa.”

39Dia nandidy ny olona rehetra mba hipetraka mitsitokotoko teo amin’ny ahi-maitso Izy. 40Dia nipetraka an-tokony izy ireo; an-tokony zato sy dimampolo. 41Naka ireo mofo dimy sy hazandrano roa Izy, niandrandra ny lanitra dia nisaotra ka nizarazara ny mofo ary nanolotra izany tamin’ireo mpianatra mba homena eo anolohan’ny olona. Nozarainy ihany koa ny hazandrano roa ho an’izy rehetra.

42Dia nihinana avokoa izy rehetra nandra-pahavoky azy ireo. 43Nalain’izy ireo ny sombitsombina mofo, izay nahafeno roambinifolo sobika mitafotafo, ary koa ny ambin’ireo hazandrano. 44Nisy dimy arivo ireo lehilahy nihinana ny mofo.

45Teo no ho eo dia nasainy niakatra tao an-tsambokely ireo mpianany mba hialoha Azy ho eny ampita, ho any Betsaida, raha nandefa ny vahoaka Izy. 46Rehefa lasa izy ireo, dia niakatra tany an-tendrombohitra Izy mba hivavaka. 47Tonga ny hariva, ary efa teo afovoan’ny ranomasina ny sambokely, fa irery teny an-tanety izy.

48Ary hitany fa sahirana mafy izy ireo nivoy ny sambokely, satria nanohitra mafy azy ireo ny rivotra. Teo ho eo amin’ny ora fiambenana fahefatry ny alina dia nankeo amin’izy ireo Izy, nandeha teny ambony ranomasina, ary te-handalo teo amin’izy ireo Izy. 49Fa rehefa nahita Azy nandeha teny ambony ranomasina izy ireo, dia noheverin’izy ireo ho matoatoa Izy ka nihiakiaka izy ireo, 50satria nahita Azy izy ireo dia raiki-tahotra. Teo no eo dia niteny tamin’izy ireo Izy ka nilaza azy ireo hoe: “Matokia! Izaho ihany ity! Aza matahotra!”

51Ary niditra tao an-tsambokely niaraka tamin’izy ireo Izy, dia nitsahatra tsy nitsoka ny rivotra. Dia talanjona tanteraka izy ireo. 52Ary tsy takatry ny sain’izy ireo ny dikan’ilay mofo. Fa kosa, nihamafy ny fon’izy ireo.

53Rehefa tafita izy ireo, dia tonga tao Genesareta ireo ka niantsona tao. 54Ary rehefa nidina avy tao amin’ny sambokely izy ireo, avy hatrany dia fantatry ny olona tao Izy, 55ka nihazakazaka nanerana ny faritra rehetra izy ireo ary nanomboka nitondra ny marary tamin’ny fandriany tany amin’izay rehetra ren’izy ireo misy Azy.

Fa na taiza na taiza nalehany na an-tanàna, na tanàn-dehibe, na teny amin’ny vohitra kely, dia nepetrak’izy ireo teo amin’ny kianja ny marary. Niangavy Azy izy ireo mba hamela azy ireo hikasika ny rambon’akanjony, ary ireo maro izay nikasika Azy dia sitrana.

56

Copyright information for PltULB